Monday, May 09, 2005


Izao no atao hoe Betsiboka e iaraha-mahita

Betsiboka mena mena very ra madagasikara

baie de majunga

baie de majunga

Baie de majunga, mena ny rano


baie de majunga

baie de majunga

baie de majunga

baie de majunga

Baie de majunga, maitso ianao taloha


baie de majunga

baie de majunga misy rahona
Izao no baie de majunga rehefa jerena avy eny ambony tsy takamaso eny, hita ami'zao ny fivarinan'ny tsiron'ny tany ho any andranomasina. Ny ao amin'ny plage moa d'efa tsy tenenina intson, iza no tsy mahalala ny fahasimban'ny plage de majunga nohon'ny fahamenan'ny rano. Raha esthetika fotsiny no resahana de ratsy izao e, tokony ilana fanamboarana, manimba mihits ny hatsaran'ny recettes touristique izay tokony hiditra ho an'ny faritry Mahajanga.
Eo amin'ny lafiny tontolo iainana koa mbola ee ..io no marika fa tsy misy mitana intsony ny tsiron'ny tany any amin'ny faritra andalovan'ireo renirano izay mivarina ao amin'ny helidranon'i Mahajanga (Bombetoka). Io no taratra mazava fa rava ny ala rehetra any, io no midika fa mbola manao ny ataony ny dorotanety. Mba jereo anyie fa efa faritra vitsy sisa no maitso eo, iny faritry katsepy sy namakia iny ary iny faritry amborovy iny fotsiny. De inona no ataon'ny Fanjakana amin'izao?? Jerena fotsiny toy ny tany nahalavoana ve? Mba manantena izahay hoe mba hisy "DSRP" ho enti-miady @ dorotanety, na hoe slogan hoatry ny hoe :"hahena 50% hono ny dorotanety eto mada amin'ny taona 2006 ". Sa iza no andrasantsika hanitsy ny fomba ratsintsika ("hamaoka ny malotontsika", no tokony ho teny nampiasaiko fa hoatran'ny tsy fanajana loatra), hiandry banky mondial sa iza?? nahoana tsika mahay mamotika!!! de maninona tsy mahay manamboatra??? sa hiandry an'iza? zafiafin'zafindohalika? de eo enao ry nosy mena.